-Ady amin’ny halatra isan-karazany
-Lehilahy iray mpiasa mpanadio trano ao amin’ny orinasa iray any Ambatondrazaka no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Sampana fikarohana Fandikan-dalàna (SRPJ) ao amin’ny Fitaleavam-paritriny ny filaminambahoaka Alaotra Mangoro taorian’ny fitorian’ny tomponandraikitra ao amin’ilay orinasa ny 06 Martsa 2026.
Nisy halatra nitranga tao amin’ny toeram-piasana ny alin’ny 05 hifoha 06 Martsa 2026, ka fitaovana sy vola no very tamin’izany.
-Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia lehilahy iray mpanadio tao amin’ilay orinasa no voasambotra ny 07 Martsa 2026, niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana. Nanoro ny toerana nanafenany ny ampahany amin’ireo entana nangalariny ihany ko izy izay efa naverina tamin’ny tompony.
-Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, miandry ny fanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana.

 

AMBATONDRAZAKA : VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ILAY LEHILAHY NANGALATRA FITAOVANA INFORMATIKA SY LELA VOLA 1 200 000 AR TAMIN’NY MPAMPIASA AZY.

Vous pourrez aussi aimer