📢Fanentanana ho an’ireo mpampiasa lalana
‎🚑Mateti-pihavy ny trangana lozam-pifamoivoizana raha ho an’ny teto amin’ny Faritra Analamanga manokana tao ho ao. Voaresaka manokana ireo lalana tsara sy malalaka ka ahafahan’ny fiara mampiakatra ny hafainganam-pandeha ary mahatonga ny mpamily sasany halaim-panahy hihoam-pefy.
🚫Tsapa fa olana ihany koa ny tsy fitandremana miseho lany, na avy amin’ny mpitondra fiara, na moto na mpandroaka sarety, na mpitondra bisikileta na ny mpandeha an-tongotra ihany koa.
🚙🏍️🚲Mila mahatsapa isika mpampiasa lalana fa maro no mampiasa io lalana io ka tokony samy ho tena tompon’andraikitra ny rehetra mba hisorohana ny loza.
👮Noho izany indrindra dia nanatanteraka hetsika fanentanana sy fampianarana ny mpampiasa lalana teny amin’ny lalam-baovao Ivato- Tsarasaotra ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga ; notarihin’ny Talem-paritra, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis, nanomboka ny Alakamisy 12 Martsa 2026.
💥‎Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana matetika eny amin’ny Rocade Ambohitrimanjaka sy Tsarasaotra, vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana amin’ny fiampitĂ na lalana.
🚓‎Nohamafisina ny fametrahana Polisy maro eny an-toerana mba handamina ny fifamoivoizana sy hanoro lalana ny mpandeha tongotra, ny mpitondra môtô ary ny bisikileta.
👮Marihina fa efa nisy Polisimpirenena niasa hatrany tamin’iny lalana iny saingy hampitomboana izay izao.
‎🚨Nomena toromarika ihany koa ireo Polisy eny an-kianja mba hanao fihetsika manara-dalàna sy matihanina hatrany mandritra ny fanatanterahana ny asany.
🚗🏍️🚲‎Miantso ny mpampiasa lalana rehetra ny Polisimpirenena mba hanaja ny toromarika sy ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ho fiarovana ny ain’ny tsirairay.

NANAO HETSIKA MANOKANA HO FISOROHANA NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NY FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ANALAMANGA

Vous pourrez aussi aimer