– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Ny alin’ny Talata 17 Martsa 2026 alina, nanao hetsika manokana hanenjehana an’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery mampikaika ny mpivezivezy amin’ny alina eny amin’ny manodidina an’ Analakely sy Ambodifilao ny Polisimpirenena.
-Efa betsaka ny fitaraina tao ho ao fa misy andiana mpanendaka tsy mifaditrovana eny an-toerana, hitanogoronan’izy ireo ny mpandalo ary ambanany antsy maranitra.
-Ahafahana misambotra azy ireo sy mampitsahatra ny asa ratsy dia nanao fanamiana sivily ireo Polisy avy ao amin’ny CUI sy ny UIR.
Iny tokoa fa hita nanaraka mpandalo ny lohandohany iray tamin’ireo mpanendaka. Mpijoko voajoko tokoa i ranamana teto ka rehefa iny handeha hisambotra azy iny ny Polisy dia vaky nandositra tany anaty tsenan’ny « Pavillon » ilehio saingy efa feno mpitandro ny filaminana ny faritra.
-Nony tampi-dalankaleha izy dia namoaka antsy fa tsy nanaiky nosamborina tsotra ka tsy maintsy niaro tena ny mpitandro ny filaminana.
-Maty vokatry ny ratra nahazo azy ity mpanendaka ity. Fantatra anefa fa mbola misy namany karohina ka hitohy ny fanadiovana eny Analakely sy ny manodidina ho ataon’ny Polisy.

 

ANALAKELY : MPANENDAKA IRAY MPAMERIN-KELOKA LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer