– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Ny 28 febroary 2026 tao Mahatsara Avaratra, ny 11 Martsa 2026 tao Impitiny, ary ny 20 Martsa 2026 tao Marofatsy sy Mahatsara Atsimo no nitrangàna vaky trano tao Farafangàna ka naharaisana fitarainana teo anivon’ny Polisimpirenena.
– Mbola manamafy hatrany ny fomba fiadin’ireto jiolahy ireto fa tsy kely lalana ny ratsy ary misy ireo mpanao ratsy no mahita hirika sy tetika hanaovana izany. Efa voadinik’izy ireo mialoha ireo ho lasibatra ka amin’ny andro atoandro no tena manao ny vaky trano fanaony ireto jiolahy ireto.
– Tsy mandry andro tsy mandry alina ny Polisy tao an-toerana ahafahana mikaroka ireo jiolahy ka nahitam-bokany izany. Ny iray tamin’izy ireo no tratra ary rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana entana halatra maro.
– Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana ary nanoro ireo namany. Miisa enin-dahy izy ireo no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary nisy namany iray hafa izay mpamatsy ody ratsy entin’izy ireo manao ny halatra sy vaky trano.
– Efa eo ampanaovana ny fanadihadiana ny Polisimpirenena amin’izao, ary hatolotra ny Fitsarana ny raharaha rehefa vita ny famotorana savaranonando.
