– Fisorohana mialoha ny fandikan-dalàna sy fanabeazana ny tanora.
– Nanatanteraka fanentanana momba ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) ho an’ny mpianatra ny Polisy avy ao amin’ny CSPD Manjakandriana ny 24 Martsa 2026.
– Ny mpianatra avy ao amin’ny Lycée Technique Professionnel (LTP) Manjakandriana no nisitraka izany voalohany.
– Nandritra ny hetsika dia noresahana ny karazana herisetra mety hiseho, ny fomba fandraisana an-tanana ireo lasibatra sy ny andraikitra tokony ho raisina manoloana ny mpanao herisetra, ary ny voka-dratsiny amin’ny tanora.
– Ny Polisimpirenena any amin’ny fari-piadidiany avy dia miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa ka anisany ny fanentanana tahaka izao. Omen-danja ihany koa ny fanabeazana sy fisorohana mialoha ny fandikan-dalàna ka hahafahan’ny mpiray Tanindrazana mitombo fahalalàna sy mitandrina eo amin’ny fiainam-piarahamonina.

 

MANJAKANDRIANA : NAHALIANA IREO TANORA NY FANENTANANA MOMBA NY ADY AMIN’NY HERISETRA.

Vous pourrez aussi aimer