– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Ny marainan’ny sabotsy 11 aprily 2026 tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany, nahazo antso vonjy ny Polisy avy ao Vohibato fa misy lehilahy mampiahiahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao Ambatomidona, Fokontany Anjanamahasoa Est, CR Alakamisy Itenina. Tao anatin’ny tahotra sy tebiteby tanteraka ny tompon-trano saingy nanana laharana findain’ny Kaomisaria Vohibato izy ireo ka tsy nisalasala niantso.
– Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy, ka tratrany ambodiomby ilay lehilahy Nitangorona ihany koa ny fokonolona, tezitra sy nalahelo noho ny zava-mitranga, ka saika hitarika fitsaram-bahoaka, saingy voafehin’ny Polisy ny toe-draharaha ary natoky ireo mpitandro ny filaminana izay manao ny asany ihany koa ireo vahoaka.
– Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ilay lehilahy, ary ankehitriny dia anaovana fanadihadiana lalina.
– Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanamafisana ny fandriampahalemana.
