-Fiarovana ireo olona marefo.
– Ny 21 Janoary 2026 no nitrangàn’ny vono olona sy halatra nihatra tamina raim-pianakaviana iray tao Manandriana Avaradrano. Ny vadiny sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ihany no tompon’antoka tamin’izany.
– Rehefa nanao ny fikarohana ny Polisimpirenena dia voasambotra ny tapaky ny volana febroary ilay vadiny sy ny mpiray tsikombakomba miisa roa saingy tafaporitsaka ny iray.
– Notaterina teto amin’ny pejy io vaovao io tamin’ity rohy ity https://www.facebook.com/100064365625406/posts/1330094579146050/?mibextid=rS40aB7S9Ucbxw6v
– Tsy nitsahatra nanao ny angom-baovao sy fikarohana ilay lehilahy iray hafa tafaporitsaka ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Central Avaradrano Sabotsy namehana ka voasambotra ny 15 Aprily 2026 izy.
– Nandritra ny famotorana azy dia niaiky ny heloka vitany ity farany, ary nilaza fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana sy fikasana hamono ilay olona nitory azy.
– Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana Ambohidrabiby Avaradrano ny raharaha ny Alakamisy 16 Aprily 2026 ka nidoboka am-ponja ity lehilahy ity.

 

AVARADRANO: LEHILAHY IRAY NAIDITRA AM-PONJA NOHO NY VONO OLONA.

Vous pourrez aussi aimer