👉 Ady amin’ny heloka bevava
👮‍♂️ Ny Talata 22 Septambra 2026 dia naharay antso ny Polisy noho ny fahitana fatin-dehilahy iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony teny Anatihazo Isotry.
🔎 Raha ny fanadihadiana dia fantatra fa ny anabaviny sy ny sakaizan’io anabaviny io ihany no niray tsikombakomba tamin’ny famonoana azy ny alin’ny 21 Septambra 2026, noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra, mba hahafahan’izy ireo manjaka irery amin’ny lova navelan’ny Ray aman-dReniny.
🎯 Efa nikasa hamono io anadahiny io ihany koa izy roa ireo teo aloha, tamin’ny alalan’ny fanomezana poizina, saingy tsy tanteraka izany.
đźš” Noho ny fikarohana nataon’ny Polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika faharoa (BC02) dia voasambotra ny Talata 22 Septambra 2026 teny Isotry ihany izy roa ireo.
📌 Nandritra ny fakana am-bavany azy ireo dia niaiky ny heloka bevava sy mamohehatra ity izy roa ireo.
⚖️ Natolotra ny fampanoavana ny Alatsinainy 28 Septambra 2026 izy roa ireo ary nidoboka am-ponja any Tsiafahy ilay lehilahy raha eny Antanimora kosa ilay vehivavy.
TE HANDOVA IRERY IREO NAHAVANON-DOZA : VOASAMBOTRY NY POLISY IREO OLONA ROA VOAROHIRHOHY TAMIN’NY RAHARAHA VONO OLONA TAO ISOTRY.
