📌 Matetika eny amin’ny « arrĂŞt bus » sy amin’ny toerana be olona no mety hiseho ity endrika fisolokiana ity. Misy olona iray voalohany mandalo ary mandatsaka zavatra (anaty harona « Sachet », na valopy lehibebe) avy any aminy. Misy olona miara-miandry bus aminao eo mandray an’io zavatra latsaka io sy mamoaka ny ao anatiny ka misy valopy kely tahaka ny misy vola sy/na tavoahangy kely misy vovobolamena sandoka tao.

🚨 Milaza ilay olona namoaka ireo zavatra ireo fa tokony zaraina io vola sy vovobolamena io kanefa izy maika ny handeha ka noho izany dia mangataka vola any aminao izy na antoka toy ny firavaka (kavina, vangovango, peratra, …) na finday ary omeny ho anao manontolo ilay « vovobolamena » sy/na vola tanaty valopy.

👉 Aza mora mino, aza manome vola na entana, ary aza manaiky hitondra na hitahiry zavatra tsy fantatra ny fihaviany.

🚨 Raha misy mampiahiahy anao, mialà amin’ilay toerana ary ampandreneso avy hatrany ny Polisy.

⛔ Mila fitandremana isika rehetra, satria ny fisolokiana dia mety hiseho amin’ny endrika maro!

MITANDREMA AMIN’NY MPISOLOKY ENY AN-DALAMBE !

Vous pourrez aussi aimer