đź‘®Nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny sekoly fampiofanana Agent sy Inspecteur de Police, na ny ENIAP Antsirabe andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny 26 Aprily 2025. Nihaona mivantana sy nitafa tamin’ireo mpampiofana rehetra teo anivon’ny ENIAP ny tenany ka nisaotra azy ireo sy ny Polisy izay miasa teto Antsirabe nohon’ny asa fitandroana filaminana izay nataon’izy ireo nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska farany teo satria nizotra tao anatin’ny filaminana izany.
âś…Rehefa vita ny fihaonany tamin’ny mpampiofana teto amin’ny sekoly dia nihaona tamin’ireo mpianatra ho Polisy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ka nitondra fankasitrahana azy ireo noho ny fahavitrihana amin’ny fiofanana. Nankahery ireo mpianatra ihany koa andriamatoa Minisitra sy nanentana azy ireo mba hijoro hatrany amin’ny fanarahana ny ftsipika.

MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA : NITSIDIKA NY ENIAP ANTSIRABE

Vous pourrez aussi aimer