✅ Nanomboka androany teny Ankorondrano ny atrikasam-pirenena entina mamolavola ny rafi-dalàna nasionaly mifehy ny fanaraha-maso ny varotra sy fifanakalozana manan-danja amin’ny sehatra sivily sy miaramila.
✅ Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin. Nisaotra ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian izy nandritra ny lahateniny noho ny fahafahana manao izao atrikasa izao sy ny maha-zavadehibe izany.
✅ Tonga nanome voninahitra ny fanombohana ofisialy ity atrikasa ity ny Minisitry ny Fitsaràna, RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ; ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ; ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariampirenena , ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara, ny solon-tena avy amin’ny Minsiteran’ny Raharaham-bahiny ; ny Masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara, Andriamatoa ROLAND Kobia ary ireo manamboninahitra ambony avy eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana.
👉 Haharitra roa andro, izany hoe hitohy rahampitso ity atrikasa lehibe ity.