🐂Ady amin’ny halatr’omby
➡️Nisesisesy ny trangana halatr’omby tao antampon-tanànan’i Miarinarivo sy ireo kaomina manodidina tato anaty volana vitsivitsy izay, tao amin’ny faritra Itasy.
Tsy nipetra-potsiny hatrany am-boalohany, fa nanao ny fikarohana sy angom-baovao avy hatrany ny teo anivon’ny Kaomisaria Miarinarivo. Ny Alarobia 23 Aprily 2025 no voasambotra ireo mpangalatra omby sy ny mpiray tsikombakomba aminy ka olona miisa dimy no voasaringotra tamin’izay. Nandritra ny fisamborana dia tratra tamin’ireto jiolahy ireto ny ody ratsy fampiasan’izy ireo sy ny antsy fandrasàny ny hen’omby sady ampiasainy ho fitaovam-piadiana. Rehefa mangalatra omby ireto olon-dratsy ireto dia entiny eny antsaha ka eny no vonoiny sy rasainy ilay omby ary ny nofony ihany no alainy sy entiny amidy eny andrenivohitra.
Fantatra tamin’ny fanadihadiana ihany koa fa efa mpamerin-keloka ny iray amin’ireto jiolahy.
➡️Natolotra ny fitsaràna izy ireo ny Talata 29 Aprily 2025 ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny telo.

MPANGALATRA OMBY TAO AMIN’NY DISTRIKAN’I MIARINARIVO ITASY, TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer