✅ Tontosa ny 29 Aprily 2025 , ny lanonana fanolorana fantsakana nataon’ny fikambanana “Levier de Menabe” ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka (DRSP) Menabe. Natao tao amin’ny tokotanin’ny tranobe vaovaon’ny DRSP Menabe ao Morondava izany fotodrafitrasa izany ary natao ho an’ireo Polisimpirenena hifandimby miasa eto amin’ity birao ity. Izao no natao dia mba ho fanatsaràna ny fidiran’ny rano fisotro madio eto amin’ny toeram-piasàna.
✅Nandray izany tolo-tanana izany ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Menabe, ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule, niaraka tamin’ny Commissaire Central ao Morondava, ny Commissaire de Police RAVALINANDRASANA Maurice notronin’ireo ireo Polisy avy amin’ny sampan-draharaha samihafan’ny Polisimpirenena ao Menabe.
✅Endrika fanehoana firaisan-kina sy fandraisana andraikitra amin’ny fampandrosoana ifotony, ary fiaraha-mientana ho fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra izao fihetsika nataon’ny fikambanana “Levier de Menabe” izao.

FANOMEZANA AVY AMIN’NY FIKAMBANANA “LEVIER DE MENABE” : FANTSAKANA VAOVAO HO AN’NY DRSP MENABE

Vous pourrez aussi aimer