đFampanarahan-dalĂ na, fanabeazana
â
Tontosa tao aminâny kianja monisipaly ao Manakara ny 11 mey 2025 ny fiofanana natokana ho anâireo mpamily cyclo-pousse nokarakarainâny Kaominina Manakara niaraka taminâny Polisimpirenena.
Natao izao fiofanana izao mba ho fampianarana ireo lalĂ na mifehy ny fifamoivozana sy fampahafantarana ireo fandikan-dalĂ na mahavoasazy. Nisy ihany koa ny fampianarana hikojakoja sy hanaja ireo fananana iombonana.
â
Ny Benâny TanĂ nan’i Manakara, Andriamatoa Henderson ANDRIANASOLO no nanokatra taminâny fomba ofisialy ny hetsika, izay notarihinâny Komandinâny Polisy Monisipaly, ny Brigadier Chef de Police BERNARD De Paul, izay sady tomponâandraikitra voalohany ny fiofanana.
âĄïžMpamily miisa 1097 no nandray anjara sy nahazo tombontsoa taminâizao fiofanana izao. Antenaina ny fahatsapan-tenanâny tsirairay sy fandraisana andraikitra ka hahatonga ny fampiharana aminâny asa andavanandro ny fahalalĂ na sy fahaiza-manao azony taorianâity fiofanana ity.

