👉Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Ny 13 Mey 2025 tolakandro, jiolahy raindahiny efa mpamerin-keloka no lavon’ny balan’ny Polisy avy ao amin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) Toliara, tao Besakoa, Kaominina Ambonivohitra Toliara.
➡️Nikasa hanao fanafihana ity jiolahy ity araka ny vaovao voarain’ny Polisy mialoha. Raha vantany vao nahita ireo Polisy andeha hisambotra anefa izy dia nitifitra ka lavo nadritra ny fifanjevoana. Azon’ny Polisimpirenena ny basy lava fampiasan’ity jiolahy ity.

JIOLAHY RAINDAHINY IRAY LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA TAO BESAKOA TOLIARA

Vous pourrez aussi aimer