đź‘® Ao anatin’ny tetikasa « Safe Seas for Africa (SSA) », vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola, dia manatanteraka fanazaran-tena sy fampiofanana momba ny ady amin’ny heloka bevava an-dranomasina ny Interpol sy sampanddraharaham-panajakĂ na malagasy izay miantoka ny fiarovana ny sisin-dranomasika ka mandray anjara mavitrika ny Polisimpirenena.
©️Maharitra dimy andro, ny 27 ka hatramin’ny 31 Jolay 2026, ny fampiofanana ka ny famerenana ny zava-nitranga teny amin’ny toerana nisiana heloka sy fandikan-dalĂ na (Exercice de Reconstitution de Scène de Crime) izay atao ao Nosy Be no hifantohana.
Jerena manokana mandritra izao fiofanana izao ny ady amin’ny trafikana zava-mahadomelina satria miseho amin’ny endriny maro izy io any an-dranomasina.
🤝 Mpandray anjara miisa 21 avy amin’ny ny FitsarĂ na, ny Polisimpirenena, ny Zandarimariam-pirenena, ny Fadin-tseranana, ny APMF ary ny sampan-draharaha hafa momba ny angom-baovao no mandray anjara amin’ity fanazaran-tena sy fiofanana ity, izay tarihin’ny INTERPOL sy ny biraon’ny Interpol Madagasikara avy ao Antananarivo.
⚠️ Amin’ny alalan’ireo tranga foronina mitovitovy amin’ny zava-misy dia kendrena ny hanatsarana ny fifanakalozam-baovao, ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampan-draharaha ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fanadihadiana sy ny ady amin’ny heloka bevava.

