👉 Polisimpirenena manaikaiky ny vahoaka
👼 Nanangana sehatra anabaka ahafahan’ny olom-pirenena mitoroka sy mampilaza ireo tranganĂ  herisetra mifototra amin’ny miralenta, ary koa ny fampilazana ireo tranga fahaverezan’olona ny Polisimpirenena ary efa miasa manomboka izao.
đŸ”· Androany no nampahafantatra ny fisian’izany sehatra anabaka izany andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL, tetsy Anosy. Niaraka taminy tamin’io fotoana io ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
đŸŽ™ïž Notsindriany fa ny tanjon’ity sehatra nomerika ity dia ny hanamorĂ na ny fitorohana ireo tranga herisetra, isan’izany ny mifandraika amin’ny fahaverezana olona.
đŸ“±Samy azo hidirana amin’io sehatra io avokoa na ny solosaina na ny finday « androĂŻd » rehefa misy fahana internet.
🔃 Araka izany, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia, izay efa lasa fitaovana manaraka ny andavanandrom-piainana ankehitriny ny fanantonan’ny Polisimpirenena ny vahoaka.
â„č Ity ny rohy ahafahana miditra amin’izany : https://www.vbg.pn.gov.mg
Azo atao ny manao fitorohana tsy mitonona anarana ary voatana tanteraka ny tsiambaratelo.
📱 Nanentana ny mpiray Tanindrazana Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka mba hampiasa ity sehatra ity na hanatona ny Kaomisaria akaiky indrindra raha sendra misy tranga mila fampandrenesana.

ADY AMIN’NY HERISETRA SY FAHAVEREZANA OLONA : TAFATSANGANA ARY EFA MIASA NY SEHATRA ANABAKA AHAFAHANA MITOROKA SY MANAO FILAZANA

Vous pourrez aussi aimer