✅Mariky ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana, ary ho porofo fa izany no antoky ny fampandrosoana ny firenena, dia notanterahina ity hetsika ity ho isan’ireo fanamarihana ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’ny Repoblika Malagasy. Notontosaina androany 04 Jona 2025 niainga teny Ambohijatovo, ary nitohy nihazo ny Kianjan’ny Barea Mahamasina araka izany ny diaben’ny fahaleovan-tena.
✅Tonga maro teny an-toerana ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta, ireo parlemantera notarihin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, miampy ireo olom-boafidy, ny governora, ny Ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra, ary olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.
✅Nisy ihany koa ny fametrahana dian-tanana nataon’ireo manampahefana isan-tsokajiny.
Taorian’izany moa dia nisy ny lalao baolina kitra nifanandrianan’ireo mpikamban’ny governamanta miaraka amin’ny parlemantera an-kilany, ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana an-daniny.
➡️Mitohy hatrany ny fanamarihana ny fankalazana mandra-pahatongan’ny 26 Jona 2025 amin’ ireo karazana seho sy hetsika samihafa.

FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA: DIABEN’ NY FIRAISANKINA SY LALAO ARA-PANATANJAHANTENA NO NOTANTERAHIN’IREO MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA SY IREO RATSAMANGAIKA SAMIHAFA EO ANIVON’NY ANDRIM-PANJAKANA

Vous pourrez aussi aimer