🔹 Nanatanteraka asa fanavotana miavaka ny Polisy avy ao amin’ny Service Central Anti-Gang (SAG) ny alin’ny 17 jona 2026 teny Ampangabe Trano dimy sy Anosibe taorian’ny fisian’ny tranga fakana an-keriny.
👥 Ankizy telo mianadahy no nisy naka an-keriny teny Ivolaniray ny alin’io andro io. Navotsotry ny jiolahy ireo zazalahy roa, saingy notazonin’izy ireo kosa ilay zazavavy 17 taona ary nitakiany vola 20 tapitrisa ariary ho takalon’aina.
🔹 Rehefa nampandrenesin’ny fianakaviana ny Polisimpirenena dia niditra an-tsehatra haingana. Napetraka ny lamina rehetra sy ny velam-pandrika hahafahana misambotra ireo mpaka an-keriny sy manavotra ilay zaza-vavavy teny Ambilanibe.
⏱️Tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina no tonga teny an-toerana ireo mpaka an-keriny, nitondra ilay zazavavy. Tsikaritr’ireo olon-dratsy anefa ny fisian’ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifanjevoana. Ny famonjena ny ain’ilay zazavavy no laharam-pahamehan’ny SAG ka nifantoka tamin’ny fanavotana azy teo am-pelatanan’ireo jiolahy.
✅ Avotra soa aman-tsara ilay zazavavy saingy ireo jiolahy kosa nitari-dositra ka raikitra ny fifampitifarana. Nandritra ny fanenjehana tany anaty elakelan-trano maizina teny Anosibe sy Ambilanibe no nahatafaporitsaka ireo mpanao ratsy. Marihana fa tsy nisy vola lasan’ireo mpaka an-keriny tamin’ity raharaha ity.
⚠️ Fantatra anefa fa nisy naratra voatifitra ny iray tamin’izy ireo ary karohina fatratra, tsara kokoa aminy no mitolo-batana fa tsy maintsy hataon’ny Polisimpirenena sy ireo mpitandro filaminana rahalahy haza lambo. Tsy mikely soroka ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanananany ary manao vy very ny ainy ho tamberina andraikitra ho an’ny mpiray Tanindrazana. Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakàna ny fametrahana fandriam-pahalemana ary manatanteraka izany ny Polisimpirenena.
🏛️ Natolotra ny Brigade Criminelle (BC) ny raharaha mba hanokafana fanadihadiana

ANOSIBE : ZAZAVAVY 17 TAONA NISY NAKA AN-KERINY, AVOTRA SOA AMAN-TSARA NOHO NY FIDIRAN’NY AN-TSEHATRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer