Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
✅Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ao Ambatondrazaka, Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro ny Brigade Féminine de Proximité (BFP) ny Alaroba faha 4 Jona 2025. BFP faha-12 efa tafapetraka amin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara ity ao Ambatondrazaka ity.
➡️Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, no nitarika ny lanonana ; notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka Alaotra Mangoro. Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Prefektioran’ny Faritra, ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’i Ambatondrazaka, ny Mpampanoa lalàna avy ao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, ary tompon’andraikitra sivily sy miaramila avy ao an-toerana.
➡️Niatrika fiofanana sy fanampim-pahaizana nandritra ny roa andro ireo Polisy vehivavy mandrafitra ny BFP Ambatondrazaka mialohan’izao fandraisany ny asa izao.

FAMETRAHANA OFISIALY NY BFP AMBATONDRAZAKA, FARITRA ALAOTRA MANGORO

Vous pourrez aussi aimer