Polisimpirenena: Miaro sy Manampy ny Vahoaka
✅Tontosa ny sabotsy faha 07 jona 2025 tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) DIANA ny lanonana fifamindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Kaomisaria Foibe vaovao, ny Commissaire Principal de Police ANDRIANAIVORAVELONA LAINGITA Benjamin, sy ny lehiben’ny Kaomisaria Foibe teo aloha, ny Commissaire Principal de Police RAMBAO HUGUES Zo, izay voatendry amin’ny andraikitra hafa.
➡️Tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana ny Lehiben’ny Fitsirihana anatiny eo anivon’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA ANDRIAMAROLAHY Fanomezantsoa. Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitra Delegé misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA ANDRIATSARAFARA Andriamitovy, sy ireo manamboninahitra maro eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, miampy ireo olom-boafidy sy manam-pahefàna sivily sy miaramila ao an-toerana.
➡️Naneho ny fahavononany handray ny adidy lehibe sahaniny amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandraisana an-tanana ny filaminam-bahoaka ao amin’ny faritra hiadidiany ny tompon’andraikitra vaovao nandritra ny fandraisam-pitenenany.

LANONANA FIFAMINDRAM-PIBAIKOANA TEO AMIN’NY KAOMISARIA FOIBE AO ANTSIRANANA

Vous pourrez aussi aimer