Ady amin’ny asan-jiolahy
✅Nahazo loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Farafangana fa misy andian-jiolahy mikononkonona fanafihana tao amin’ny fokotany Andranomakoko.
➡️Nidina teny an-toerana ireo Polisy ny 30 Jona 2025 alina nijery izany ary voaporofo fa misy jiolahy maromaro nivory teo amin’ny toerana voatondro. Nitifitra avy hatrany izy ireo vao nahita ny Polisy no sady nisy nandositra tamin’ireo jiolahy. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’ireo jiolahy, nisy tafaporitsaka kosa ireo namany ary mbola mandeha ny fikarohana.
➡️Basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala izay nampiasainy no hita teny aminy.

 

FARAFANGANA : JIOLAHY IRAY TEO AM-PANOMANANA FANAFIHANA LAVON’NY BALAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer