Ady amin’ny kolikoly
➡️Notanterahina ny faha 02 Jolay 2025 tao amin’ny Toby RATSIMANDRAVA ny fikaonan-doha niharahan’ny Parlemantera Zimbabweana sy ny sampan-draharaha avy amin’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly.
➡️Nihatrika ity fihaonana ity Andriamatoa Goromonzi Chikwaka izay Lehiben’ny Sampana miady amin’ny kolikoly (APANAC) any Zimbabwe sy ireo mpanara-dia azy. Teo koa ny solontenan’ny Parlemanta malagasy, Andriamatoa RAKOTOARISOA Johnny izay Solombavambahoaka voafidy tao Ambohidratrimo. Ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon izay lehiben’ny sampana fanadihadiana anatiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka (DEI) sy ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier izay lehiben’ny Sampana Misahana ny ady amin’ny kolikoly (DLCD) eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka no nitarika ny delegasion’ny Polisimpirenena ary ny Général de Division RAMASITERA Ny Haingo sy ny Général de Brigade RABEMANANTSOA Josh izay lehiben’ny Sampana momba ny ady amin’ny Kolikoly no avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena.
➡️Natao izao fifanakalozana izao mba ho fanomezana laka ny mangarahara, indrindra ny fifampizaràna ny traikefa amin’ny fomba entina miady amin’ny kolikoly anatiny na ivelany, mety hitranga.

ADY AMIN’NY KOLIKOLY : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIFANAKALOZANA TRAIKEFA NIARAHANA TAMIN’I ZIMBABWE NY POLISIMPIRENENA MALAGASY

Vous pourrez aussi aimer