Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
➡️Nitrangana fanafihana fiara ny marainan’ny faha 03 Jolay 2025 tao Analavory, ao amin’ny Kaominina Beravina, Distrikan’i Morafenobe, Faritra Melaky. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo an’i Tsiroanomandidy no notafihin’ireo dahalo izay nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona.
➡️Nisy Polisy nanaraka tao anatin’io fiara io ka nirotsaka an-tsehatra niezaka nifehy ny toe-draharaha vantany vao nahita ireto olon-dratsy mpanakan-dalana sady efa nitifitra sy nitora-bato. Raikitra ny fifanjevoana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, lavo ny iray tamin’ireo dahalo ka vaky nandositra avy hatrany ny ambiny.
➡️Basy iray nampiasain’ireo dahalo no azo nandritra ny fifandonana ary mitohy amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ireo dahalo tafaporitsaka.