Ady amin’ny fisolokiana amin’ny endriny samihafa
✅ Nisy olona nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny Polisimpirenena Antalaha, ny 07 Aogositra 2025, nilaza fa voasolokina lehilahy iray. Milaza ity lehilahy ity fa afaka mandefa olona hiasa any Maurice, ary ao anatin’ny ara-dalàna tanteraka no fanaovana izany satria efa misy orinasa mifandray aminy ao amin’ity Nosy rahavavy ity.
✅ Nahazoany vola 5 tapitrisa ariary noho izany ireo lasibatra tamin’ny asa fisolokiana. Rehefa azony ny vola dia tsy azo antso intsony ny findainy ary izy tsy hita ihany koa. Rehefa nokarohin’ny Polisy dia vaosambotra ny 12 aogositra 2025 ilay lehilahy voarohirohy tamin’ny fisolokiana io. Mbola hita teny aminy ny ampahan’ny vola, izay 2 tapitrisa ariary sisa, finday miisa 5, ary taratasy maromaro mana-porofo ny fisolokiana nataony.
✅ Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny Polisy izy ho fanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANTALAHA, NISANDOKA HO AFAKA MANDEFA MPIASA MALAGASY HO ANY MAURICE

Vous pourrez aussi aimer