Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika
-Raha tsiahivina dia tratran’ny Polisimpirenena miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy ny 12 Aogositra 2025 teny Ampasampito Ambohimirary, ny lehilahy iray nivarotra sy nitazona zava-mahadomelina mahery vaika amin’ny karazany “Crystal Methamphétamine” milanja 10,9 kg. Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy izy ny 16 Aogositra 2025.
-Fantatra moa fa teratany vahiny iray Tanzaniana no mpamatsy ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo, izay efa voasambotra talohan’ny nahatratrarana azy ary efa nigadra eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ihany koa.
-Natao ny 02 Septambra 2025 teny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny fandevonana sy fanapotehana io “Crystal Methamphétamine” milanja 10,9 kg tratra io, izay notanterahin’ny Polisin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana hanaovana izany.

 

NODORANA SY NOPOTEHINA IREO ZAVAMAHADOMELINA MAHERY VAIKA « CRYSTAL METHAMPHÉTAMINE » MILANJA 10,9 KG TRATRA TETSY AMPASAMPITO AMBOHIMIRARY NY VOLANA AOGOSITRA LASA TEO, REHEFA NAHAZO ALALANA AVY AMIN’NY FITSARANA

Vous pourrez aussi aimer