Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
– Tontosaina manomboka ny 05 Septambra 2025 ary maharitra telo andro etsy amin’ny lycée RABEARIVELO Analakely ny andiany fahatelo amin’ny Salon des Étudiants karakarain’ny CIDST na ny Centre d’information et de documentation scientifique et technique.
✅ Anisany mandray anjara amin’ity hetsika ity ny Polisimpirenena. Ankoatran’ny tranoheva izay mampiseho ny fampiofanana eo anivon’ny Sekoly Ambonin’ny Polisimpirenena na ny ENSP Ivato izay mampiofana ireo mpianatra ho Commissaire de Police sy Officier de Police, dia nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra manazava ny fiofanana ho Polisimpirenena.
✅ Nitarika izany ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTONDRASOA Jean de Matha, lehiben’ny Sampandraharahan’ny fampianarana ara pedagojika eo anivon’ny ENSP, sy ny avy ao amin’ny fitaleavana misahana ny fintantanana ny maha olona (DRH) eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nahasarika mpitsidika maro ny tranohevan’ny Polisimpirenena sy ny famelabelaran-kevitra nandraisany anjara.
-Tanjona tamin’izao ny mba ahafahan’ireo mpianatra mahafantantra ny fampiofanana misy eto amin’ny Polisimpirenena, eo ihany koa ny fomba atao raha manana fikasana ny hanao Polisy.
– Nampahafantarina azy ireo ny dingana arahana rehetra, ny fepetra takiana raha hiditra ho Polisimpirenena ary ny andraikitra sahanin’ny Polisimpirenena rehefa misehatra amin’ny asa.