Ady amin’ny asan-jiolahy
-Natolotra ny fampanoavana ny Talata 09 septambra 2025 ireo dimy lahy voasambotra tamin’ilay fanafihana sy famonoana ilay teratany karana iray tao Mahabibo Mahajanga ny 22 aogositra 2025. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjan’i Marofoto avokoa izy dimy lahy.
-Niarahan’ny Polisimpirenena sy ny Zandary ny fanadihadiana sy ny famotorana tamin’ity tranga fanafihana miharo vono olona ity.
-Nanomboka tamin’ny fisamborana ny lehilahy roa izay 25 taona sy 18 taona tao antranony tao Terrain Mena ny 25 aogositra 2025 ny fahatratrarana ireto andian-jiolahy ireto. Izy ireo no voalaza fa nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana. Mbola nahatratrarana porofo marobe tamin’ny fanafihana izy ireo nandritra ny fisamborana sy ny fisavàna ny tranony fa indrindra ireo akanjo izay nanaovan’izy ireo tamin’ny fanafihana.
-Ireo namany ambiny dia voasambotra taty aoriana rehefa natao ny fanadihadiana lalina izay niarahan’ny Polisimpirenena sy ny Zandary tao Mahajanga.