-Miatrika fiofanana nanomboka omaly 16 Septambra 2025 tao Tsiroanomandidy ireo Polisy vehivavy handrafitra ny BFP na ny Brigade Féminine de Proximité ao amin’ny faritra Bongolava.
-Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, no nitarika ny fiofanana.
– Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity fampiofanana ity ny Governoran’ny Faritra Bongolava, Andriamatoa RAMAMONJISOA Haja Hantenaina Placide ; ny Prefen’i Tsiroanomandidy, Andriamatoa RAHERIARISATA Fenotojosoa ; ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Tsiroanomandidy, Andriamatoa RAZAFINDREDOHY Mananjara Jaona ; ny Evekan’ny Diosezin’i Tsiroanomandidy ny Monsenera RANDRIANANTENAINA Gabriel, ary ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila avy ao amin’ny Faritra Bongolava.
-Niompana amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy ny fiofanana, teo ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo izay niharan’izany.
-Androany Alarobia 17 Septambra 2025 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny BFP Tsiroanomandidy.