Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
-Ny 20 septambra 2025 maraina, nandritra ny fifamalian’ny mpivady tao an-trano no nikasan’ny lehilahy iray hanindrona antsy ny vadiny sy ny zanany, tetsy Andavamamba.
-Tsy nahatsindry fo ity lehilahy ity ka naka antsy ary nanatona ny vadiny, izay nitrotro ny zanany vao teraka volana vitsivitsy. Niantso ny Polisin’ny fifamoivoizana niasa tsy lavitra teo ny manodidina nahita ity fihetsika ity, nandray andraikitra avy hatrany ilay Polisy.
-Nosamborina avy hatrany ilay lehilahy ary noentina teny amin’ny Poste de Police Ilanivato izy, hatao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana.

 

VOASAKANA NY FIKASAN’NY LEHILAHY IRAY HAMONO HO FATY NY VADINY SY NY ZANANY NOHO NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA HAINGANA NATAON’NY POLISY TETSY ANDAVAMAMBA

Vous pourrez aussi aimer