Vaovao marim-pototra avy amin’olona tsara sitrapo iray no nampandre ny Polisimpirenena momba ny fisiana olona mitondra taolam-paty tao Maroventy, fokontany Tanamandroso, Kaominina Moramanga, ny 22 septambra 2025.
– Nandray fepetra avy hatrany ny Polisy ka nanao fanaraha-maso. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nahitana ireo taolam-paty tao amin’ny trano iray teny an-toerana. Olona telo no voasambotra tao anatin’izany.
– Araka ny fantatra dia taolam-paty 232 isa no hita, ary manodidina ny 52 kilao ny lanjany.
– Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena ireo olon-dratsy miaraka tamin’ ireo taolam-paty, ho atolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny famotorana savaranonando.

 

MORAMANGA : TAOLAM-PATY MIISA 232, MILANJA 52 KILAO TRA-TEHAKY NY POLISIMPIRENENA, OLONA TELO TOMPON’ANTOKA VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer