🚔 Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
⛔ Naharay fitarainana ny Polisy avy ao amin’ny PPA Ilanivato fa misy toerana fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ny fari-piadidiany, eny Ampefiloha Ambodirano ka nidina teny an-toerana nanamarina izany izy ireo.
📌 Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisy dia tafaporitsaka ny lehilahy roa efa tao raha toa ka voasambotra kosa ilay tompon’antoka izay mivarotra sy mampidoroka rôrô an’ireo tanora eny Ampefiloha Ambodirano.
👮‍♂️ Notanana teny amin’ny biraon’ny Polisy teny Ilanivato ity lehilahy ity hanokafana fanadihadiana sady hatao andri-maso.

LEHILAHY IRAY MPIVAROTRA « RÔRÔ » VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TENY AMPEFILOHA AMBODIRANO

Vous pourrez aussi aimer