Ady amin’ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena.🌍🐢
Nandritra ny fisavana nataon’ny fadintseranana ny entan’ny sidina Ethiopian Airlines tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Nosy Be Hell-Ville, ny 15 Novambra 2025, no nahitana valizy efatra (04) nahatratrarana sokatra miisa 56 tao anatiny.👮♂️🛂
Nantsoina avy hatrany ny tompon’ireo entana voakasika dia tsy nisy niseho. Rehefa nosavaina ny tao amin’ny seranam-piaramanidina dia efa tafaporitsaka ireo tompon’ny entana.🏃♂️💨🧳
Natolotra ny tompon’andraikitra any an-toerana ireo biby arovana ireo, ary mitohy kosa ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ity raharaha fanondranana antsokosoko biby arovana ity.🐢🛡️🔍