✅ Ady amin’ny asa-jiolahy
– Raha tsiahivina dia nisy namoaka fampilazana tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, nangataka fanampiana hitadiavana lehilahy iray avy namaky trano ka nandositra ary nahaverezana entana sarobidy maro. Hita tao amin’ity fampilazana ity ny sarin’ilay jiolahy avy amin’ny caméra de surveillance tao amin’ilay toerana nanaovany halatra.
– Ny 22 Novambra 2025 tamin’ny 3 ora tolakandro dia naharay antso an-tariby mahakasika ity lehilahy ity ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Avancé Antaniavo, fa hita eny Antohomadinika manodidina ny lalam-by ilay lehilahy hita sary tao amin’ny Facebook.
– Fotoana fohy dia tonga teny an-toerana ny Polisy ary hita teny tokoa ity lehilahy ity ka nosamborina avy hatrany.
– Taorian’ny famotorana dia natolotra ny fampanoavana izy ary voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora.