✅ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny CSPD Miarinarivo sy ny « Poste de Police » ao Analavory tao amin’ny Fokontany Ampasamanatongotra, ny 23 novambra 2025 tolakandro ny lehilahy miisa 03, nikononkonona fanafihana banky iray ao ANALAVORY.
– Taorian’ny fitarainana napetraky ny talen’ity banky ity ny 17 novambra 2025, satria mpiasa tao ihany ny iray tamin’izy ireo, dia nandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fametrahana velapandrika ka nisambotra ireto telo lahy ireto.
– Nandritran’ ny fanadihadiana no nahafantarana fa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amina banky iray ao Analavory izy ireo no izao tra-tehaka izao. Niaiky ny fikasanan-dratsiny moa ireto farany ary tratra tamin’ny finday nampiasain’izy ireo ny porofo tamin’izany.
– Natolotra ny Fampanoavana ny talata 25 novambra 2025 ary nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy telo lahy.
