– Ady amin’ny herisetra sy fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
– Mpikambana amina andian-jatovo mpanao herisetra miisa 10 no voasambotry ny Polisimpirenena ao NosyBe taorian’ny fitarainan’ny mponina. Mifanafika ka mifanao herisetra ireo tanora ireo, izay avy amina fokontany samihafa dia Ambodivoanio sy Andavatoko ka lasa mihitatra amin’ireo mponina avy amin’ireo fokontany ireo ny herisetra sy gafy izay hifanaovan’ireo tanora ireo. Efa nisy mihitsy ny naratra vokatry ny tsindrona antsy tamin’ny herisetra hifanaovan’ireto tanora ireto.
– Ankoatran’izay efa nisy olona roa samy hafa no nametraka fitoriana amin’ity raharaha ity teny amin’ny biraon’ny Polisy. Nanao ny fanadihadiana sy nametraka vela-pandrika ny Polisy ka nahafahana nisambotra ireo andian-jatovo miisa folo ireo, izay samy nandray anjara tamin’ity raharaha herisetra ity.
– Taorian’ny fiakaran’izy ireo Fampanoavana ny 1 Desambra 2025 dia nidoboka am-ponja avokoa izy folo miralahy.

 

ANDIANA ZATOVO LAHY MPANAO HERISETRA AO NOSY-BE VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY NIDOBOKA AM-PONJA AVOKOA

Vous pourrez aussi aimer