– Polisy miaro sy manampy ny vahoaka
– Mpanao sinto-mahery finday efa itarainan’ny mponina ao Manjakandriana ity voasambotry ny Polisy tany an-toerana ity. Vehivavy iray no lasibatry ny asa ratsin’ity lehilahy ity ny marainan’ny 8 Desambra 2025 ka nampandre ny Polisy avy hatrany ny olona nahatsikaritra an’izany.
– Nikasa ny handositra izy izao tratran’ny Polisy izao ary mbola tratra teny aminy ny finday izay nangalariny.
– Notanana ao amin’ny biraon’ny Polisy ao Manjakandriana izy hanaovana fanadihadiana ary rehefa natolotra ny fampanoavana ny 9 Desambra 2025 dia nidoboka am-ponja vonjimaika.

 

MANJAKANDRIANA : MPANAO SINTO-MAHERY VOASAMBOTRY NY POLIIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer