– Notanterahana ny Alakamisy 18 Desambra 2025 maraina ny lanonana fitokanana fotodrafitrasa vaovao izay natolotry ny andiany « MANEVA » ho an’ny Sekoly Manofana ho Inspecteur sy Agent de Police na ny ENIAP Antsirabe.Nataon’izy ireo dian-tanana ho mariky ny fianiavana amin’ny fandraisana andraikitra sy hanomezana tombotsoa ny rehetra, ary ho fahatsiarovana ny nandalovan’izy ireo tao amin’ny Sekoly izany.
– Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Sekreteran’ny Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Controleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, narahan’ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule.
– Nandritra ny fandraisam-pitenena fohy nataon-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka dia nitondra fankasitrahana feno ho an’ny andiany « MANEVA » izy, satria endriky ny fandraisana andraikitra feno sahady izao fihetsika izao.
– Notsindriany nandritra ny fandraisam-pitenenany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitondran-tena mendrika ho an’ny Polisimpirenena, ny fitandroana ny lalàna sy ny soatoavina maha Polisimpirenena, ny fanamafisana hatrany ny firaisankina sy ny fahaizana miara-miasa.
– Anio Zoma 19 Desambra 2025 no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny andiany MANEVA raha natao omaly ihany ny fanononana am-pahibemaso ny valim-panadinana.



