-Ady amin’ny halatra isan-karazany.

– ANOSIMASINA ITAOSY
– Teny Anosimasina Itaosy, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, naharay antso ny Polisy fa nisy olona niditra an-keriny tao an-tokantrano iray, ka nikasa hangalatra.
– Tonga haingana teny an-toerana ireo Polisy ary nahatratra ilay tovolahy, izay efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisarian’i Itaosy izy hanaovana fanadihadiana.

– ANKATSO
– Tetsy Ankatso , Polisy avy ao amin’ny Boriboritany Faharoa Ambohijatovo izay nanao fisafoana an-tongotra teny Ambolikandrina, no nahazo fampahafantarana momba ny olona iray nikasa hamaky sy hangalatra tao amin’ny Cash Point iray.
-Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny Polisy ka voasambotra ilay voatondro ho nahavanon-doza.

– Samy nentina nanaovana fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny Polisy izy ireo, mialoha ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.

 

ANOSIMASINA ITAOSY / ANKATSO : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FIKASANA HANGALATRA SY HAMAKY CASH POINT

Vous pourrez aussi aimer