– Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Nandritra ny herinandro tao anatin’ny fanamafisana ny hetsika manokana notanterahana nanomboka ny 22 Desambra 2025, olona efatra (04) no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny kaomisaria Maroantsetra noho ny resaka halatra akoho amam-borona sy vaky trano tany an-toerana.
– Rehefa natolotra ny fampanoavana ny 26 Desambra 2025 dia naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo.