– Tonga nitsidika ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, tao amin’ny toeram-piasany ao Anosy, ny Masoivohon’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa JI Ping niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny 16 janoary 2026.
– Noresahana manokana tamin’ity fotoana ity ny fanamafisana sy fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivoho Sinoa sy ny Ministeran’ny Filaminambahoaka. Ao anatin’izany indrindra indrindra ny fanomezana fampi-taovana sy ny fampiofanana ho an’ny Polisimpirenena malagasy mba hampitomboana hatrany ny traikefa.

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA : NITSIDIKA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA NY MASOIVOHO SINOA MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA.

Vous pourrez aussi aimer