– Notanterahina ny Zoma faha 16 Janoary 2026, tao amin’ny Komisaria Foibe Tsaralalàna, ny fampiofanana sy fampitomboana fahaiza-manao ho an’ireo Polisimpirenena mahakasika ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy eny anivon’ny sekoly.
– Ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka no nikarakara ny hetsika. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Talen’ny DRFC, ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss.
– Nizara ny traikefa sy ny fahaiza-manao tamin’ireo mpandray anjara ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’Ny Aina ka Polisimpirenena miisa 51 avy amin’ny Brigade Féminine de Proximité (BFP), ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo (PMPM) ary ny sampan-draharaha misahana ny heloka an-habaka no nanaraka izany.
– Nifantoka tamin’ny fandraisana sy ny fitantanana araka ny lalàna ireo tranga herisetra isan-karazany miseho eny anivon’ny sekoly ny vontoatin’ny fiofanana.
– Ny tanjona lehibe amin’izao hetsika izao dia ny hanamafisana sy hampitomboana ny fahaiza-manao ary ny traikefan’ireo Polisy mpisehatra manokana momba ny ady amin’ny herisetra, mba hahafahan’izy ireo miatrika amin’ny fomba matihanina sy mahomby ireo tranga herisetra mianjady amin’ny ankizy.
– Manoloana izany dia manentana ny olom-pirenena rehetra mba tsy hangina, fa sahy hitory sy hampandre avy hatrany ny Polisimpirenena, fa indrindra ireo sampan-draharaha voakasika sy efa nahazo fiofanana manokana, toy ny Brigade Féminine de Proximité, ny PMPM ary ny sampan-draharaha miady amin’ny heloka an-habaka, mba hahafahana mandray fepetra haingana sy mahomby.

FAMPIOFANANA NY POLISIMPIRENENA MAHAKASIKA NY ADY AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’NY ANKIZY ENY ANIVON’NY SEKOLY.

Vous pourrez aussi aimer