– Ady amin’ny asan-jiolahy isan-karazany.
– Manoloana ny fitaraina matetika voaray noho ny harom-paosy izay mirongatra ao amin’ny tsena Sabotsy Antsirabe dia nanao hetsika manokana ny Polisimpirenena. Polisy manao fanamiana sivily no nahetsika nanara-maso tao an-toerana.
– Nahitam-bokany izany ka nahatratrarana zazalahy tsy ampy taona miisa enina, izay tratra ambodiomby avokoa teo am-panaovana harom-paosy teny amin’ny tsena Sabotsy sy ny manodidina iny, ny faha 17 janoary 2026.
– Araka ny fantatra nandritra ny famotorana azy ireo dia efa manao fanazaran-tena ka tena mailaka amin’ny harom-paosy ireto zaza ireto ka ilaina ny mailo hatrany rehefa eny an-tsena.
– Nentina teny amin’ny Polisy misahana ny Zaza tsy ampy taona (PMPM) ao Antsirabe ireto zaza mpangarom-paosy ireto hanokafana fanadihadiana.

 

TSENA SABOTSY ANTSIRABE : ZAZA TSY AMPY TAONA NO TENA TOMPON’ANTOKA AMIN’NY HAROM-PAOSY, MIISA 6 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer