-Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
-Taorian’ny angom-baovao voarain’ny Sampandraharaham-paritry ny Filaminambahoaka misahana ny fandikan-dalàna ara-toekarena Analamanga dia olona efatra, ahitàna lehilahy telo sy vehivavy iray, no voasambotra tamin’ny herinandro lasa teo, teny Antohamadinika I.V.O.
-Fantatra fa ireto andian’olona ireto no mpivarotra sy mpamatsy rôrô ao Antahomadinika. Nandritra ny fisamborana azy ireo dia nahitàna fonosana rôrô miisa 80, izay efa vonona ho amidy teny aminy. Tratra nandritra izany ihany koa ary natao porofo teo anatrehan’ny fampanoavana ireo fitaovana fidorohana io zava-mahadomelina tena manimba ny tanora io.
-Fantatra fa efa mpamerin-keloka ny sasany amin’izy ireo amin’ny fivarotana ity zava-mahadomelina ity.
-Natolotra ny Fampanoavana ny 09 febroary 2026 ireo voasambotra ary nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.