🛡️ Ady amin’ny asa fisolokiana.
đź“… Ny 18 Febroary 2026, lehilahy iray no tonga nametraka fitoriana tao amin’ny Biraon’ny ny Polisy Antaniavo fa lasibatry ny fisolokiana teo Antanimena.
đź§Ş Vovo-bolamena sandoka natao tao anaty tavoahangy kely no namitahana azy, ary nilaza ireo olona nivarotra izany taminy fa 400 000 Ar ny grama.
👮‍♀️ Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy ary nikaroka ireo olona ireo ka mbola hita nihaodihaody teo amin’ny manodidina ny iray tamin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany ka mbola tratra teny amin’ity vehivavy ity ny vovo-bolamena sandoka natao tao anaty vola 100 ar.
🏢 Nentina teny anivon’ny Biraon’ny Polisimpirenena ilay vehivavy ary natao famotorana.

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : VEHIVAVY IRAY NOSAMBORINA NOHON’NY FISOLOKIANA VOLAMENA SANDOKA

Vous pourrez aussi aimer