– Notanterahina ny 17 martsa 2026 tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) tetsy Antanimora ny fifanakalozana traikefa sy fahalalàna momba « Ireo karazana kolikoly mateti-piseho eo amin’ny tontolon’ny asan’ny Polisimpirenena » ; novelabelarin’i Commissaire Principal de Police RAKOTOARISOA Faramalala, « Directeur Territorial BIANCO » eto Antananarivo, sy RANDRIANOMENJANAHY Eric Christian, lehiben’ny sampana misahana ny fisorohana ny kolikoly.
– Ny tanjona dia ny handalinana ireo paikady entina misoroka ny fandikan-dalàna isan-karazany sy hanamafisana ny fahamendrehan’ny Polisimpirenena amin’ny fanatanterahana ny asa.
‎- Nanome voninahitra sy nanokatra izany fotoana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor. Nandray anjara kosa ireo Tale sy ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
‎- Izao dingana izao dia natao entina manakaiky hatrany ny vahoaka sy mamerina ny fitokisany. Ny fananan’ny Polisimpirenena toe-tsaina madio sy tsy azo vidiam-bola dia antoka lehibe amin’ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny, ary maneho ny fahavononana hentitra hanompo ny firenena amim-pahamarinana sy amim-panetrentena ho tombontsoan’ny olom-pirenena tsirairay.

ATRIK’ASA MOMBA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY NOTONTOSAIN’ IREO TOMPONANDRAIKITRA AMBONY EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer