– Ady amin’ny trafika tsy ara-dalàna
– Ny 17 martsa 2026 tokony ho tamin’ny 01 ora sy 30 minitra tolakandro, lehilahy teratany vahiny iray no saron’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Seranam-piara manidina (PAF) ao Nosy Be noho ny fanondranana volamena an-tsokosoko.
– Tsikaritra fa hafahafa ny entan’ity lehilahy ity ka niroso tamin’ny fisavàna azy ny Polisimpirenena, ka volamena milanja 841 gramma no sarona teny aminy.
– Nosamborina avy hatrany izy ary nentina teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Diana hanaovana fanadihadihana, niakatra fampanoavana ny 21 Martsa 2026 ny raharaha ary nidoboka am-ponja ity tera-tany vahiny ity.

 

NOSY BE : TERATANY VAHINY IRAY VAOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TENY AMIN’NY SERANAMPIARA-MANIDINA NOHO NY TRAFIKANA VOLAMENA

Vous pourrez aussi aimer