– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
– Ny 22 Martsa 2026, lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisimpirenena raha avy namaky trano tao Ambalatsarety Amboasary Sud, ny 20 Martsa 2026 no nitrangan’ilay vaky trano ary nanao ny fikarohana sy angom-baovao ny mpitandro filaminana taorian’izay.
– Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany izy ireo ary nanoro ny toerana nanafenana ny entana halatra. Tafaverina avokoa ireo fananan’ilay niharamboina.
– Nentina tany amin’ny kaomisaria ireo voasambotra ary mbola mitohy ny fanadihadiana.
– Manamafy ny Polisimpirenena fa akaiky ny vahoaka ary miezaka hatrany mamaha haingana ireo tranga toy izao. Manentana ny olom-pirenena ihany koa ny Polisy mba hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy tranga mampiahiahy, sy hitoroka ireo olon-dratsy anaty fiarahamonina fa ho tanana tsiambaratelo izany.
