– Lehilahy iray 56 taona fantatra fa mitantana klioba ana baolina kitra ao Ampahatra Antsirabe no voasambotry ny Polisimpirenena ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny fivarotana zava-mahadomelina eo an-tanàna.
– Vaovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantarana fa miparitaka loatra ny zava-mahadomelina ao an-tanàna ary ity lehilahy ity no mivarotra izany.
– Nisy araka izany ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina avy ao amin’ny Fitaleavam- paritry ny Filaminambahoaka Vakinankaratra.
– Vokany, tratra tao amin’ny trano fonenany ny rangahy iray 56 taona izay mpivarotra rongony ary mbola nahatratrana 39 fonosana izy tamin’izany.
– Nentina nihazo ny biraon’ny Polisy avy hatrany izy nanaovana fanadihadiana ary niakatra Fampanoavana ny 23 Martsa 2026 ka naiditra am-ponja vonjy maika ity farany.
– Enjehin’ny lalana ny fivarotana sy famporisihana olona hidoroka rongony ary tena mamohehatra raha ny mpanabe tokony hitaiza ny tanora indray no manao izany.
Ny Polisimpirenena dia mitazona ho tsiambaratelo hatrany ny mpanome loharanom-baovao azy.

 

AMPAHATRA ANTSIRABE, LEHILAHY IRAY MODY MITANTANA KLIOBA BAOLINA KITRA NO SADY MIVAROTRA RONGONY NAIDITRA AM-PONJA VONJY MAIKA.

Vous pourrez aussi aimer