-Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
– Fiara 4×4 iray no nosakan’ny Polisy nandritra ny sakana natao teo Voatavo, Kaominina Zazafotsy, Distrikan’Ihosy ny Alarobia 25 Martsa 2026 tamin’ny 04 ora maraina.
– Nampiahiahy ity fiara ity ka niroso tamin’ny fisavàna ny Polisy. Tsy nisy taratasy momba ilay fiara mihitsy teny amin’ireo lehilahy telo tao anatiny. Rehefa nosavaina ireo gony miisa 26 tao anaty fiara dia rongony no tao anatiny, izay nokasaina hoentina any Antananarivo. Voalaza ihany koa fa avy any Sakalalina ilay fiara.
– Nosamborina avokoa ireo lehilahy telo tao anatiny izay fantatra fa tompon’ireo rongony, ny mpamily ary ny mpanampy azy.
– Nogiazana avy hatrany ny rongony sy ny fiara, ary natao andrimaso ireo voasambotra hanaovana fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy amin’ny fampanoavana.
-Ny mpamosavy mivoaka alina aza misy mahita koa mainka fa rongony 26 gony entina amin’ny fiara 4*4 no sady mandalo sakana ataon’ny Polisimpirenena.

 

IHOSY: LEHILAHY TELO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NIARAKA TAMIN’NY RONGONY 26 GONY NAFATRATRA TAO ANATY 4*4

Vous pourrez aussi aimer